NIAMEY/NIGER Novelabelarina nanoloana ireo minisitra afrikana ny paikadin’i Madagasikara ho fampandrosoana ny indostria

Tafiditra anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fivoriamben’ny minisitra misahana ny indostria avy amin’ny tany mpikambana ao amin’ny Vondrona Afrikana ny fifampizarana sy fifanakalozan-kevitra sy traikefa mikasika ny fampivoarana ny tontolon’ny indostria. Nanana anjara fitenenana tamin’izany ny delegasiona malagasy omaly Alatsinainy 07 Novambra 2022 ka nanazavany ireo paikadin’i Madagasikara ho an’ny fampandrosoana ny indostria.
Nandritra ny herinandro moa ireo teknisiana no efa tany Niamey/Niger nivory nanomana ity fivoriamben’ny minisitra omaly ity.Nifantoka tamin’ny stratejia fampiroboroboana ny indostria sy fampandrosoana an’i Afrika ny asa tamin’izany.

Vous aimerez aussi...