Niara-nijery ny toerana ametrahana ny Saha Indostrialy ny MICC sy ny mpandraharaha tsy miankina

Tompon’andraikitra samihafa avy amin’ny Vondron’ny mpandraharaha, mpandraharaha, ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny MICC foibe, ny DRICC Itasy, ny Ben’ny tanànan’Arivonimamo hatramin’ny solontenan’ny Fokontany Mangatany. Nanaovana rodobe ny fizahana ny toerana anorenana ny Saha Indostrialy ao Mangatany kaominina Arivonimamo androany Alakamisy 07 Jolay 2022. Fidinana ifotony ho fanatanterahana ny fehin-kevitry ny fivorian’ny komity mpitantana Fampiroboroboana ny indostria herinandro lasa izay.
Nahafahana nampiseho tamin’ny sehatra tsy miankina ny toerana hametrahana ny Saha Indostrialy ao Mangatany no sady ahafahana mandinika ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny MICC sy ny sehatra tsy miankina momba ny hanatanterahana ny tetik’asa izao fidinana teny an-toerana izao.
Sary DEI

Vous aimerez aussi...