Ny kaoperativa, lalana haingana sady azo antoka mankany amin’ny fivoaran’ny toe-karena
📌 Bongolava: Kaoperativa misehatra amin’ny fary miisa 8 sahady no tafatsagana any Bongolava taorian’ny nisantaran’ny Ministry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana Taninketsa Indostrialy tany an-toerana ny tetikasa tamin’ny 15 oktobra lasa teo. Avy amin’ny fiaraha-miasan’ny DRICC sy ny Tetikasa “Vahatra” izao fampijoroana an’ireo kaoperativa ao anatin’ny sehatra ara-dalàna izao. Hiteraka famoronana asa maro hampiroborobo ny indostria, ary hanatevina ny “Taninketsa Indostrialy” napetraky ny minisitra Edgard Razafindravahy ny fisian’ny kaoperativa maro eny ifotony.
📌 Alaotra Mangoro: Niantohan’ny Fitaleavam-paritra amin’ny fanatsarana ny kaoperativa eny amin’ny faritra hafa ihany koa ny fananganana ny kaoperativa “Mihary” misehatra amin’ny fambolena voatabia. Nomen’ny ekipan’ny DRICC fiofanana amin’ny fitantanana sy amin’ny lalàna mifehy ny kaoperativa ireo mpikambana mpanorina miisa 11. Misokatra ho an’ny tantsaha rehetra mitovy sehatra aminy ny kaoperativa.
📌 Matsiatra Ambony: Nizara taratasy Fanamarihana fisoratana anarana (Certificat d’enregistrement) ho an’ny kaoperativa misehatra amin’ny fiompiana kisoa, akoho gasy, fambolena, ary fanjonoana ny DRICC. Hitondra fampandrosoana ho an’ny toe-karen’ny faritra ireo kaoperativa amin’ny alalan’ny fihariany.
📌 Boeny: Nisitraka fampiofanana momba ny lalàna mifehy ny kaoperativa niantohan’ny DRICC ny koperativa fitaterana ao an-drenivohitr’i Mahajanga rehetra. Noentanina amin’ny fanavaozana ny antontan-taratasy momba azy ihany koa izy ireo, mialohan’ny hanaterana an’izany any anivon’ny sampan-draharaha mahefa.