“Ny Vita Malagasy amin’ny vanim-potoanan’ny hay tao zava-mirindra”

Ao anatin’ny fankalazana ny faha 100 taonany, ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria eto Antananarivo (CCIA) dia mikarakara ny hetsika VOATRA 2020 andiany fahafito izay manohana ny famoronana ary tanterahina etsy amin’ny “Annexe CCIA” Antanimena ny 25 hatramin’ny 28 Novambra 2020. Ahitana valan-dresaka, atrikasa fampiofanana, varotra fampirantiana ary fifanakalozana eo amin’ny samy mpandraharaha eny an-toerana mandritra ny efatr’andro hisian’ny hetsika. “Ny hetsika tahaka izao dia tohanana hatrany satria mampiroborobo ny vokatra vita Malagasy sy ny fahaiza-manao ny mpamokatra, mpamorona Malagasy. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny tetikasan’ny fanjakana amin’ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina izany” hoy Atoa David Ralambofiringa, Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny MICA nandritra ny lanonam-panokafana ny hetsika VOATRA 2020.

Vous aimerez aussi...