OMAPI-MICA
Ho fankalazana ny fahazoan’ny Ofisy Malagasy momba ny Fizàka-manana Indostrialy na ny OMAPI, rantsan-mangaika eo ambany fiahian’ny MICA ny « Certificat ISO 9001-2015 » dia noraisin-dRamatoa Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana, LANTOSOA Rakotomalala tetsy amin’ny Biraon’ny Anosy ny avy ao amin’ny OMAPI izay notarihan’ny Tale Jeneraly, RAVOARIHARISON Christian-Claude niaraka tamin’ireo mpiara miasa aminy akaiky ny Alakamisy lasa teo. lazan’ny Firenena Malagasy ny fahazoana izao « CertificatISO9001_2015 » izao indrindra fa manoloana izao tontolo izao hoy Ramatoa Minisitra raha nankasitraka ny asa sy dingana nodiavin’ireto ekipan’ny OMAPI ireto satria ilaina ny fametrahana ny lanjan’ny maha-mpikaroka. Ary hisy akony lehibe amin’ny fampandrosoana ny toe-karena ary ny fampiroboroboana ny indostria malagasy. Marihina moa fa ny tanjon’ny OMAPI dia tafiditra ao anatin’ny fiarovana ny vokatry ny fikarohana ataon’ireo Indostria Malagasy ireo