Fanodinana ny hazan-dranomasina orita na “poulpe” any Vohémar
Orinasa iray hampiodina ny hazan-dranomasina orita na “poulpe” any Vohémar no hitsangana amin’ny taona 2021 izay vinavinaina hanodina orita hatramin’ny 6 taonina isan’andro.
Mpanjono an-jatony maromaro no hisitraka tombon-tsoa amin’ny famatsiana ity orinasa hitsangana ity izay hiteraka asa maro ho an’ireo tanora any an-toerana ihany koa.
Nitsidika ny foto-drafitr’asa tany an-toerana ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana, Rtoa Lantosoa RAKOTOMALALA. Tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa ODOF (One District, One Factory na Distrika iray, Toeram-pamokarana iray) napetraky ny MICA ny fametrahana indostria madinika sy salantsalany (PMI) eny anivon’ny faritra ka PMI mpamokatra “glace alimentaire” miisa 4 no hapetraka hatramin’ny taona 2021 hanampiana amin’ny fomba fitahirizana ireo vokatra an-dranomasina ireo.