Orinasa Malagasy

Vonona hanampy an’i Madagasikara ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT)
Nanambara i Coffi Agossou avy ao amin’ny OIT fa tsara kalitao sy betsaka kokoa ny vokatra avy amin’ny orinasa malagasy misehatra amin’ny akanjo sy ny lamba. Afaka manampy an’i Madagasikara ny OIT amin’ny alalan’ny tetikasa maromaro fa indrindra ny tetikasa « Better Work » (na asa tsaratsara kokoa) ka ahafahantsika hampitombo ny vokatra sy ny fahafahana mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Ny fanondranana any amin’ny firenen-dehibe sy ny famokarana ho an’ny mpisehatra akanjo fanta-daza no tanjona.
Mikatsaka hatrany ny hanatsara ny fahafahan’ny orinasa malagasy mifaninana ny Minisitera misahana ny Indostria. Tsy maintsy ovaina ny fahazaran’ny tompon’orinasa vahiny manome karama kely loatra ny mpiasa malagasy hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy, ary tsara raha misitraka an’izany tetikasa Better Work izany ny Malagasy.
Manampy an’izany ihany koa dia 80%-n’ireo orinasa etiopianina no nikatona, vokatry ny fikatonan’ny AGOA tany aminy. Ho resen’ny Minisitra lahatra ireo mpamatsy vola tany Etiopia hanangana orinasa eto Madagasikara ka hiteraka ihany koa asa ho an’ny Malagasy.
Noraisin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tao amin’ny biraony ao Ambohidahy androany ny avy amin’ny OIT.

Vous aimerez aussi...