ORINASA SECREN S. A: HOVAHANA MAIKA NY OLANA.

Tonga eto an-drenivohitra ny delegasiona avy any amin’ny orinasa SECREN, ahitana ny Tale Jeneraly Ntsay Abel, ireo mpikambana eo anivon’ny filan-kevi-pitantanana ary ny solontenan’ny mpiasa miisa 11.
Nisy avy hatrany ny dinik’asa notanterahana tetsy amin’ny Carlton Anosy niarahan’izy ireo tamin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy.
Nanotrona azy amin’ny fandrosoana vahaolana ny minisiitry ny Jono sy ny Toekarena manga, Mahatanty Paubert.
Misy ny drafitra ao anatin’ny fohy ezaka hamahana maika ny olana misy ankehitriny amin’ny fanefana ny karaman’ny mpiasa.
Tsy maintsy hisy koa anefa ny drafitra maharitra hanavotana ny orinasa.
“Manana ny lanjany ary manana ny hasiny any amin’ny faritra Antsiranana ny orinasa SECREN koa rariny raha mitondra ny anjara birikiny ny Fanjakana hanampiana ny orinasa amin’ny fiverenany amin’ny asa famokarana indray.” hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy.
Nambaran’ireo Minisitra roa tonta fa hidina any ifotony izy ireo amin’ity herinandro ity ho fanohanan’ny fitondram-panjakana ny orinasa SECREN.

Vous aimerez aussi...