Ozinina fanodinana tantely: Nisantatra ny fahazoana Taninketsa Indostrialy any amin’ny faritra Boeny i Mahajanga

“Tanteraka eto androany ny Veliranon’ny Filoham-pirenena hoe hananganana orinasa iray isaky ny distrika. Atomboka eto amin’ny distrikan’i Mahajanga ny ODOF (One District One Factory) na Taninketsa Indostrialy ho an’ny faritra Boeny”. Tenin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy izany androany Zoma 17 Marsa 2023 tamin’ny mponin’i Mahajanga vory tao amin’ny tranon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria (CCI) any an-toerana. Natolotra azy ireo ny ozinina mpanodina tantely ho tsara kalitao azo jifaina sy ho afaka mifaninana amin’ny tsena, tsy eto an-toerana ihany fa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa.

Nambaran’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) fa araka ny hetaheta nampitaina tamin’ny Filoham-pirenena, satria marobe ny mpamokatra tantely ao Mahajanga, no nahatonga izao fanolorana fitaovana fanodinana tantely izao ho fanatanterahana ny velirano. “Isaorako betsaka sahady ianareo kaoperativa satria hetahetanareo ny hametrahana ozinina matanjaka ahazoana vokatra tsara”, hoy ihany izy.

Mahatratra 27.520 litatra isa-taona ny vokatra tantely any amin’ny faritra Boeny. Manodidina ny 2000 ireo tranon-tantely maoderina ary 351 ny mpiompy tantely matihanina any amin’ny distrikan’i Mahajanga II, Mitsinjo, Marovoay sy Ambatoboeny.

Anisan’ny tanjona amin’ny Taninketsa Indostrialy ny ho fampihenana ny fanafarana ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro na PPN toy ny vary, menaka, siramamy. Efa misy any Mahajanga ny ozinina mpamokatra savony. “Ny PPN rehetra dia heverintsika ho vokarina eto Mahajanga daholo”.

Nahitsy ny Lefitry ny Ben’ny Tanànan’i Mahajanga raha nilaza fa nitana ny teny nomeny ny Filoham-pirenena matoa nanolotra ity milina ity ny MICC. “Fitaovana manara-penitra sady raitra. Ezaka lehibe izany nataon’ny Fitondram-panjakana izany. Vonona amin’ny fampandrosoana ny vahoakan’i Mahajanga”, hoy izy tamin’ny fandraisany fitenenana.

Nanome toky kosa ny solontenan’ny mpiompy tantely sady filohan’ny kaoperativa Mihary, Adily Soamadou, fa tsy hitsanga-menatra i Mahajanga raha mitaha amin’ny distrika hafa nahazo milina fanodinana tantely. « Hanome vokatra tsara be izahay ka ho azo aondrana izany ».

Vous aimerez aussi...