POLITIKA VOARINDRA ENTINA HANATSARANA SY HIANTOHANA IZAY MAHASOA NY MPANJIFA

Ny MICA tamin’ny alàlan’ny Foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny mpanjifa (DPC) dia nasaina handray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra tamin’ny atrikasa “Workshop International 2021” nokarakarain’ny « Oniversiten’Antananarivo – Mention Sociologie – Formation Professionnalisante en Travail Social et Développement » tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano manodidina ny lohahevitra hoe « Politika ho an’ny daholobe, fiarovana ara-tsosialy ary fanabeazam-pirenena » anio. Niompana tanteraka tamin’ny anjara andraikitry ny MICA mikasika ny fiarovana ara-tsosialy amin’ny alàlan’ny politika voarindra entina hanatsarana sy hiantohana izay mahasoa ny mpanjifa ny fandraisam-pitenenan’ny Tale misahana ny fiarovana ny mpanjifa nandritra izany atrikasa izany. Ankehitriny dia misy rafitra maro napetraky ny fanjakana malagasy hanohanana sy hanampiana ny vahoaka manoloana ny vidim-piainana toy ny fametrahana ireo entana amin’ny vidiny mirary ary zakan’ny sarambabembahoaka eny amin’ny Tsena Mora, ny Hetsika Vidin’Entana ary ny dinika niarahan’ireo mpisehatra rehetra momban’ny PPN. Ao anatin’izay ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana amin’ny alàlan’ny DPC dia manara-maso ny kalitaon’ny entana amidy eny an-tsena na sakafo na tsia, ny fampiharana ny fepetra ara-barotra marina, ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpanjifa ary indrindra ny fanabeazana ny mpanjifa (ny vahoaka) izay zava-dehibe tokoa.

Vous aimerez aussi...