PPN : FIKAONAN-DOHA NIARAHAN’NY MICA SY IREO MPANAFATRA ENTANA AVY ANY IVELANY

Tontosa ny 05 may 2021 ny fivoriana fikaonan-doha natao tamin’ny alalan’ny teknolojia vaovao niarahan’ny tompon’andraikitra eto anivon’ny MICA sy ireo mpanafatra entana avy any ivelany ary ireo indostria mpamokatra menaka. Ny tanjona napetraka tamin’izany fivoriana izany dia ny hijerena paikady amin’ny ankapobeny mahakasika ny fisian’ny PPN eny an-tsena amin’ny vidiny ara-drariny ho fitsinjovana ny mpanjifa. Nodinihana manokana ihany koa ny antony mety ampiakatra ny vidin’ny menaka sy ny siramamy ary nitondrana vahaolana maharitra. Tapaka nandritra ny fivoriana fa tsy ampiakatra ny vidin’ny entana ireo mpanafatra entana na dia hisy aza ny fiakarana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Namafisin’izy ireo hatrany ihany koa fa mbola ampy ny tahiry ankehitriny.
Ho an’ny MICA dia hamafisina foana ny fidinana ifotony ho fanaraha-maso ny vidin’entana sy ny ambaratongam-pitsinjarana ireo entana ireo (traçabilité). Ho fampiarana ny hevitra tapaka nandritra ny fivoriana dia nidina ifotony teny amin’ny tsena Isotry ny mpanara-maso eto anivon’ny minisitera ny 06 may nanao fanadihadiana ara-barotra momban’ireo PPN eny an-toerana.
Sary: DPC

Vous aimerez aussi...