Radisson Blu Ambodivona

radisson-blu

Nifarimbonana ny fandresen-dahatra ny sinoa hampiasa vola eo amin’ny sehatry ny lamba eto Madagasikara
Mifaninana amin’i Etiopia isika amin’ny fahazoana ny fampiasam-bola sinoa eo amin’ny sehatry ny lamba. Manam-pikasana hampiasa vola aty Afrika mantsy ry zareo sinoa ka na i Madagasikara na i Etiopia no isafidianany.
Tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona omaly Zoma 10 Mey 2024 tolakandro no nandresena lahatra ny China Textile and Apparel Council hitodika aty Madagasikara. Nafàna ny dinika satria mila zavatra mazava koa ry zareo sinoa.
Tamin’io omaly io dia ny avy eto amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) no namelabelatra ny momba ny sehatry ny lamba eto Madagasikara, ny Tetik’asa Textile City ao Moramanga ary ireo Faritra ara-toekarena manokana (ZES) eritreretina ho apetraka. Nitondra fanazavana mikasika ny rafitra ara-toekarena eto amin’ny firenena kosa ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) ary ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) nanoritsoritra ny momba ny tontolo manodidina ny fandraharahana. Tompon’andraikitra avy amin’ny indostria momba ny lamba roa dia ny GAMA TEXTILE sy ny INDEX OI kosa naneho ny fomba iainany ny fandraharahana eto Madagasikara.
Orinasa 20 no miara-dia amin’ny delegasiona sinoa anatin’izao fifandresen-dahatra izao.

Vous aimerez aussi...