Raharaha anatin’ny ministera

𝗙𝗮𝗺𝗶𝗻𝗱𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗿𝗼𝗮 𝘀𝗼𝘀𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝘁𝗿𝗲𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗩𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗻𝗷𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮 (𝗠𝗖𝗖) 𝘁𝗲𝗻𝘆 𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗱𝗮𝗵𝘆
Nandray ny asany amin’ny maha-Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana azy Ramatoa Misa RASOLOFOARISON raha hisahana ny Foibem-pitondrana momba ny Otrikarena maha-olona (DRH) ny Tale Valimbavaka RANDRIAMAMPIANINA.
Naneho ny fahavononany hiasa ho amin’ny fanavaozana sy ny fikasany hampifandray ny mpiara-miasa ny Sekretera jeneraly vaovao raha nilaza fa “tonga dia asa fa tsy kabary”. Misokatra koa ny varavarana ho amin’ny fifampiresahana.
Nanome toky koa moa ny DRH vaovao fa vonona hiatrika ny adidy lehibe miandry azy.
Nanatrika izao famindram-pitantanana izao ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON izay nanamafy ny fanohizana ny fiaraha-miasa sy ny fanavaozana eo anivon’ny Minisitera.
Nizara roa ho Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MCC) sy Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy miankina (MIDSP) moa ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra teo aloha.




