RIVO-BAOVAO HO AN’NY ORINASA SY NY INDOSTRIA ENY ANIVON’NY SEHATRA TSY MIANKINA

Tafiditra ao anatin’ny fanomanana farany ny “Foire Internationale de Madagascar” andiany faha 15 amin’izao fotoana izao ny orinasa Première Ligne. Nihaona tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny Tale Jeneralin’ny orinasa mpikarakara Andriamatoa Domenichini Ramiaramanana androany sy ireo miara-miasa akaiky aminy. Mitovy feo ny roa tonta ny amin’ny fomba fijery hametrahana ity hetsika ara-toekarena lehibe ity ho fanomezana indray rivo-baovao ho an’ny sehatra tsy miankina. Maneho ny fahavononany hatrany ny minisitera hanohana ny fanomezana ainga vao ny toekaren’ny sehatra tsy miankina. Isan’izany ny fandraisana anjara mavitrika ataon’ny MICC mandritra ny FIM 2021 ho fampahafantarana ireo tetikasa mahasoa ny mponina ary indrindra ho an’ireo tanora vao hiarina.

Vous aimerez aussi...