Sambava: Napetraky ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny toerany ny Tale Jeneraly vaovaon’ny Orinasa SOAVOANIO
Hajarido Sergio no Tale Jeneraly hitantana indray ny orinasa SOAVOANIO any Sambava. “Anjaranao DG no miara-miasa amin’ireo mpamboly voanio ireo ahafahany mampandroso ny Soavoanio. Aza miady fa aleo mifanaraka aminy dia atao izay hampandroso ny orinasa”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany tany Sambava raha nitodika tamin’ny Tale Jeneraly vaovao. “Vonona ny tenako zato isan-jato hanampy anao, hanampy ny orinasa, hanampy anareo mpiara-miasa rehetra. Ny antony nanekeko ny fanendren’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra dia ny hampiroborobo ny indostriantsika. Ka raha tsy mandroso Soavianio dia ahoana no ilazantsika fa handroso ny orinasa eto Madagasikara”, hoy ihany ny minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny indostria.
Manana ny lanjany ny orinasa mpamokatra menaka toy ny Soavoanio anatin’ny vanim-potoana mampiakatra izaitsizy ny vidin’ny menaka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena toy izao.
Ananan’ny Fanjakana petra-bola moa ny Orinasa SOAVOANIO. Nanomboka ny volana May 2021 dia Komity mpiara-mitantana no nitondra ny orinasa. Taorian’ny fivoroan’ny Filankevi-pitantanana dia nosokafana ny fifaninanana ifantenana izay ho Tale Jeneraly. 24 no isan’ny kandidà ary 23 Avrily 2022 no natao ny fanokafana ny antontan-taratasin’ny mpifaninana. Ny 10 Jona 2022 no voatendry ny Tale Jeneraly vaovao Hajarido Sergio.