SASM: Nahomby ny andrana ara-teknika natao teo amin’ny orinasa mamokatra siramamy any Maromamy
Ny 10 Jolay lasa teo dia nambaran’ny Governoran’ny faritra Atsinanana ny vokatry ny andrana ara-teknika izay notanterahana tao amin’ny orinasa mamokatra siramamy any Maromamy, Brickaville ho famerenana indray ny fampandehanana ny orinasa.
Araka izany dia nambarany fa nahomby tanteraka izany andrana izany miaraka amin’ireo fanatsarana eo anivon’ny fitaovana ampiasana. Amin’izao fotoana izao dia sokajiana ho “hybride” ny orinasa eo amin’ny milina mampandeha azy (mampiasa chaudière sy fuel) sy ny fitrandrahana izay “semi-automatique”.
Ny orinasa dia manana foibem-pibaikoana ka afaka manodina fary hatramin’ny 1000 taonina. Nandritra izay 20 taona tsy niasana izay dia midika ho fiteraham-baovao izao famerenana ny orinasa hamokatra indray izao araka ny Governoran’ny faritra.
Araka izany indrindra dia asa mivantana miisa 200, asa manaraka ny vanim-potoana miisa 1200 ary asa miforona miisa 300 no teraka ka manandratra hatrany ny toekaren’ny faritra.
Ity dingana ity dia mikendry ny fanatanterahana ny tanjona voatondro ho amin’ny fampandrosoana ny indostria araka ny Velirano N°7 momban’ny indostria any amin’ny faritra izay efa napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Ho an’ny MICA, izay misahana ny fanatanterahana izany fanekena izany, ity fanamby natao ity dia manamarika ny fahombiazan’ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny famokarana eto an-toerana ireo filan’ny mponina eo amin’ny entana ilaina maika izay tafiditra isan’ireo laharam-pahamehan’ny Minisitera ankehitriny.