Seha-pihariana lavanila

Tafakatra 46 miliara Ariary ankehitriny ny vola voaangona ao amin’ny kitapom-bolan’ny Filankevitra nasionaly momba ny lavanila (CNV)
“Ao amin’ny kitapom-bolan’ny CNV ireo vola ireo ary tsy nisy nipika na ariary aza”, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny Alatsinainy 11 Marsa 2024 raha namaky bantsilana ny momba ny vola 4 dolara isa-kilao alaina amin’ny lavanila aondrana mankany ivelany. Ahitana taratra ny risi-pon’ireo mpandraharaha amin’ny fanajana ny fepetra noraisina izany satria tany amin’ny fiandohan’ny volana Febroary 2024 dia nanodidina ny 28,5 miliara Ariary ny vola voaangona no izao tafakatra 46 miliara Ariary izao.
Anisan’ireo andraikitra sahanin’ny CNV moa ny fanatsarana sy fitandroana ny kalitaon’ny lavanila malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ahafahana mametraka laboratoara hitiliana ny kalitaon’ny lavanila alohan’ny hanondranana azy, ohatra, ny vola eo am-pelatanana. Taloha mantsy dia niteraka fahasahiranana izany satria tsy manana izay fitaovam-pitiliana azo antoka izay ny Sampandraharaham-panjakana.
Naneho fahavononana hampanjaka ny mangarahara moa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) nanoloana ireo mpiara-miasa ao amin’ny Minisitera tetsy Ambohidahy ny Alatsinainy 5 Febroary 2024. Niantso azy ireo izy hanao toy izany koa sy hiasa ho an’ny vahoaka.

Vous aimerez aussi...