Seha-pihariana lavanila: nisokatra ny taom-piotazana lavanila maitso any amin’ny faritra Anôsy

Tamin’ny fomba ofisialy no nanokafana ny taom-piotazana lavanila 2023 any amin’ny Faritra Anosy ny Zoma 23 Jona 2023. Notanterahana tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ampasy Nahampoana ny lanonana mifandraika amin’izany, nahitana ny Goverinoran’ny Faritra, ny Fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (DRICC) Anosy, ireo Ben’ny tanàna, ny Filankevi-paritry ny lavanila (CRV) Anosy, ny mpisehatra lavanila ary ireo solontenan’ny tantsaha.

Notsindrina manokana ny firosoana miandalana amin’ny fanalalahana ny sehatry ny lavanila ary ny fanentanana ny mpandraharaha sy ny mpisehatra rehetra hitsinjo ny tantsaha amin’ny vidin’ny vokatra mba tsy hahafatiantoka azy ireo.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...