Seha-pihariana Lavanila

Anatin’ny fanavaozana entin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny fandresen-dahatra ireo mpandray ny vokatra malagasy
“Tsy misy toerana intsony ho an’ny mpanao hosoka sy mpanararaotra!”. Teny navantan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ireo mpandraharaha vahiny mpividy lavanila avy aty Madagasikara izany nandritra ny fihaonana tao amin’ny trano fiasan’ny Masoivoho malagasy any Frantsa. Ireo mpanafatra ny vokatra malagasy ireo mantsy no toa mandidy sy manapaka amin’ny varotra lavanila aondrantsika mankany ivelany. Ilaina araka izany ny fanavaozana sy fanadiovana ity seha-pihariana ity hatrany amin’ireo mpandray ny lavanila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Natao mangarahara tamin’ireo mpandraharaha vahiny fa raha 75000Ar no vidy farany ambany ividianana ny lavanila maitso amin’ny mpamokatra dia 500000Ar kosa ny iray kilao amin’ny lavanila voaomana. 5 ka hatramin’ny 6 kilao maitso mantsy no ahavitana lavanila iray kilao voaomana. 250 Dôlara kosa no vidy farany ambany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Mila maka ny toerana sahaza antsika amin’ny maha-tany lohalaharana amin’ny famokarana lavanila antsika isika malagasy. Rehefa handefa ny varim-bazahany ny Rosiana, hoy ny Minisitra naka ohatra omaly Alakamisy 11 Aogositra 2022 tetsy Ambohidahy, dia tsy misalasala mametraka ny hetra amin’ny vidy ivarotany ny vokatra any ivelany. Fahasahiana amin’ny fanapahan-kevitra raisina izany.
Niantso fitiavan-tanindrazana moa ny Minisitra misahana ny Varotra hiatrehana ny mety ho fahasahiranana amin’ny fandafosana ny vokatra amin’izao taom-piotazana lavanila maitso izao.“Raha manana fitiavan-tanindrazana dia miezaka mampifanatona ny tantsaha mpamokatra sy ny mpividy”, hoy izy omaly.

Vous aimerez aussi...