Seha-pihariana lavanila:75000Ar ny vidy farany ambany amin’ny kilaon’ny lavanila maitso
Taorian’ny fakan-kevitra ifotony tamin’ireo mpamboly sy ny fivorian’ny filankevitra nasionaly momba ny lavanila (CNV) no namerana ny vidin’ny lavanila maitso.
75 000Ar ny vidy ambany indrindra ivarotan’ny mpamboly ny iray kilao amin’ity taom-piotazana 2022-2023 ity.
Samy mahazo tombony daholo ny mpisehatra rehetra amin’ny lavanila amin’izany vidiny izany ary tsy natao hambotry na ny tantsaha na ny mpanangom-bokatra na ny mpanondrana.