Sehatry ny lavanila

Nidina tany ifotony tany amin’ny faritra SAVA renivohitry ny lavanila maneran-tany ny Minisitry ny MICA, Rtoa Lantosoa RAKOTOMALALA ny farany herin’andro lasa teo. Nisongadina manokana tamin’izany ny fihaonany tamin’ireo mpisehatra sy mpandraharaha rehetra eo amin’ny sehatry ny lavanila. “Fotoana iray hahafahana mametraka miaraka fanamby iraisan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana entina miatrika ity taom-piotazana ho an’ny fanondranana ity” hoy Rtoa Minisitra. Teboka telo lehibe no nisongadina nandritra ny fihaonana:
-Ny fanokafana ofisialy ny taom-piotazana 2020-2021 ho amin’ny 15 Septambra 2020. Efa maro ireo mpandraharaha vonona ny amin’ny fanondranana araka izany. Ilaina ihany koa ny fametrahana ireo andraikitra maro samihafa mifandray amin’izany fisokafan’ny taom-piotazana izany eny anivon’ny ambaratonga tsirairay voakasika.
-Ny vidin’ny lavanila ho an’ny fanondranana napetraka tamin’ny volana jona lasa teo dia efa fantatry ny tsena iraisam-pirenena ihany koa izay mitentina ho 250 dolara “prix FOB” ny kilao; raha toa ka 650.000ar kosa ny vidin’ny kilao ho an’ny lavanila “préparée et stabilisée” eto amin’ny tsena anatiny.
-Hivoaka amin’ny herin’andro ho avy izao ihany koa ny lisitr’ireo mpanondrana nahazo fankatoavana ho amin’ny fanondranana
Nitsidika ihany koa ny toerana hametrahana ilay Ivon-toerana ambony amin’ny sehatry ny lavanila eto Madagasikara na “The World of Vanilla Complex” i Rtoa Minisitra. “Ity ivon-toerana ambony ity dia manamarina ny toerana voalohany hananan’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny lavanila maneran-tany” araka ny nambaran-dRtoa Minisitry ny MICA.

Vous aimerez aussi...