Sirama: Nanatanteraka fitanisam-pananana
Nampiantso ny mpanao gazety androany ny orinasa Siramamy Malagasy SA na SIRAMA. Nitondra fanazavana mikasika ireo tany izay fananan’ny orinasa madio tsara kanefa misy olona miniana maka ary manorina eo amboniny tsy nahazoany alalana akory. Raha tsiahivina, faritra miisa efatra no ahitana ny orinasa SIRAMA : Brickaville, Nosy Be, Namakia ary Ambilobe. Ahitana tanim-pary, foto-drafitrasa fanodinana fary toerana voatokana hitobian’ireo mpiasa am-perinasa ireo toeran’ny SIRAMA ireo. Tojo fahasahiranana ny orinasa nisy fotoana ka voatery niditra tamina fanofana ny fitantanana hitazomana ny asa fiveloman’ny mpiasa sy ireo foto-drafitrasa.
Ankehitriny, tsikaritra fa betsaka amin’ireo tany ireo izay fananan’ny SIRAMA misy taratasy mazava tsara no misy maka sy manorina trano eo amboniny. Manoloana izany tranga izany dia manatanteraka fitanisam-pananana ny orinasa ary mametraka politika fiarovana fananana. Tsy misy mihitsy fivarotana ny tany natao na mbola hatao. Nohamafisin’ny taratasy fampahafantarana nosoniavin’ny Minisitera miandraikitra ny indostria sy ny MATTP izany tamin’ny 29 may 2020 izay manameloka tanteraka ny fandikan-dalàna mikasika ireo tany ireo. Ity politika napetraka ity no fanoitra mandray anjara mivantana amin’ny fanarenana indray ny orinasa SIRAMA.
Sary SIRAMA SA