SNDCoop

Inona ny atao hoe SNDCoop? SNDCoop : Paikady Nasionaly ho an’ny fampandrosoana ny koperativa eto Madagasikara
– fampandrosoana ny koperativa
– fanatsarana ny tontolon’ny koperativa

Ny koperativa izay heverina ho tosika entina hanatsarana ny fari-piainan’ny mpikambana ao aminy, hamoronana asa ho an’ny tanora sy ny vehivavy dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara.
Ao anatin’ny rafitra fampiroboroboana ny koperativa sy ho fanatsarana ny tontolon’ny kaoperativa eto Madagasikara, ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana (MICA), amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fampiroboroboana ny Fandraharahana (DPE) niaraka tamin’ny fanohanan’ny « NCBA CLUSA » dia namolavola paikady Nasionaly ho an’ny fampandrosoana ny koperativa. Ny tanjona napetrak’izany paikady izany dia :
✔fanatsarana ny tontolo fampivoarana amin’ny fitomboan’ny sehatra koperativa ;
✔fanatsarana ny fahaiza-manao eo amin’ny governemanta sy ny mpiara-miombon’antoka entina hampiroboroboana ny fitomboan’ny sehatra koperativa ;
✔fampitomboina ny fiaraha-miasa eo anivon’ny sehatra maro samihafa (ohatra: fambolena, indostria, fahasalamana, fitantanam-bola, fitaterana sy sehatra ara-panjakana na tsy miankina ary ny ONG) mba hampiroboroboana ny fampianarana sy ny fanentanana ao amin’ny sehatry ny koperativa, izay manampy amin’ny famoronana rafi-dalàna feno mikasika ny koperativa.

Vous aimerez aussi...