SOSIALIM-BAHOAKA : Arahi-maso tsy tapaka ny fandrindrana ny Tsena Mora

Herinandro faharoa nisokafan’ny Tsena Mora. Nidina teny amin’ny Fokontany Faravohitra, 67Ha, Ampefiloha, Ambondrona Tsiazotafo, Behitsy Ambohimangakely, Antsakambahiny Antehiroka, Tanjombato, Ambodifasika Itaosy ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, nanao ny fanaraha-maso mahazatra. Nahazo 30 gony amin’ny Vary Tsinjo avy ireo toeram-pivarotana ireo. Tsikaritra fa lany avokoa ny entana namidy ary ankasitrahan’ny mponina ny fisian’ny tsenam-bahoaka.

Vous aimerez aussi...