Tahirin’ny vary eto amin’ny faritra Analamanga

Araka ny nambaran’ny Talen’ny Foibem-pitondranan’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asatanana eto amin’ny faritra Analamanga Rtoa Hanitriniaina Ranarison (DRICA Analamanga) dia tsy misy ny ahiahy mikasika ny tahirin’ny vary eto amin’ny faritra Analamanga amin’izao fotoan’ny fihibohana izao.

 Raha ny mikasika ny tsena Anosibe ohatra dia misy vary vokatra eto an-toerana 100 taonina tonga isan’andro hoy hatrany ny DRICA Analamanga

 Mbola misy ihany koa ny vary nafarana any amin’ny seranan-tsambo any Toamasina

🔴 Namafisiny hatrany ny fanaraha-mason’ny varotra ataon’ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asatanana manerana ny tsena sy ny mpivarotra eto Antananarivo

 Ny vontoatin’ny fanahara-maso dia manamarina hatrany ny fampiaran’ny mpandraharaha ara-barotra ireo fepetra ara-pahasalamana ary koa manamarina ny vidin’ny entana, ny tahiry ary ny taratasy filazam-bidy hisorohana ny mety ho fanararaotana amin’izao vaninandro sarotra ara-pahasalamana izao

🔴 Amin’ny ankapobe dia manaja ireo fepetra ara-barotra sy ireo fepetra ara-pahasalamana avokoa ny mpivarotra sy ny mpamongady hiadiana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid19 araka ny tenin’ny DRICA

 Na izany aza dia manentana ireo mpivarotra hatrany ny Minisitera hanisy ny “gel” afaka ampiasan’ireo mpanjifa

 

Vous aimerez aussi...