Taninketsa Indostrialy

Milina fanodinana mananasy ho ranom-boankazo sy milina famokarana paty ho an’ny distrikan’Arivonimamo
Raha indostria iray isaky ny distrika (One District One Factory ) no filamatra dia nanao pao-droa Arivonimamo. Natolotry ny MICC azy tany an-toerana androany Alakamisy 09 novambra 2023 ny milina indostrialy fanodinana ny mananasy ho lasa ranom-boankazo sy milina famokarana paty. Naseho an’ireo tantsaha mpamokatra, mpitarika kaoperativa sy fikambanana, mpandraharaha, Ben’ny Tanàna avy amin’ireo kaominina ao anatin’ny distrika ary tompon’andraikitra samihafa vory tao amin’ny Lapan’ny Tanàna ireo fitaovana ireo.
Mananasy 1 taonina isan’ora no ilain’ny Taninketsa Indostrialy fanodinana voankazo ao Arivonimamo hahazoana ranom-boankazo 500 kilao. Izany hoe mamokatra ranom-boankazo anaty tavoahangy 2000 hatramin’ny 3000 isan’ora.
Vonona ireo tantsaha mpamboly hanatsara ny vokatra ary hihezaka hampitombo izany noho ny fisian’ny milina indostrialy ao amin’ny faritra. « Taloha sahirana dia sahirana izahay amin’ny fandefasana ny vokatra satria sahirana ny tantsaha mijery mpanjifa. Ankehitriny dia voavahy ny olana ary hiroborobo ny toekarena », hoy Rakotoarijaona Herman, tantsaha mpamboly sy mpivarotra mananasy nanomboka ny taona 1975.
Ao Imerintsiatosika kosa ny hapetraka ny milina fanamboarana paty. Tsy tongatonga ho azy ny safidy niantefa tamin’ity kaominina ity satria Imerintsiatosika dia anisan’ny mpamokatra atody betsaka indrindra. Mahatratra 22500 isa-kerinadro ny atody mivoaka ao aminy. Atody sy lafarinina vita amin’ny varim-bazaha no akora fototra amin’ny fanamboarana paty.
400 kilao isan’ora ny paty ho vokarin’ny Taninketsa Indostrialy ao Imerintsiatosika. Raha miasa adin’ny folo ny milina dia mamokatra paty hatramin’ny 4 taonina isan’andro.

Vous aimerez aussi...