Taninketsa Indostrialy any amin’ny Faritra Bongolava

Misaotra ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ny Minisitry ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana, @Edgard RAZAFINDRAVAHY izahay eto amin’ny Faritra Bongolava amin’ny fametrahana ny tanin-ketsa indostrialy voalohany eto Bongolava.
Tonga teto Tsiroanomandidy Renivohitry ny Faritra Bongolava ireo délégasionina avy any amin’ny “Centre Malgache du Canne et du Sucre”,Nidina ifotony tany amin’ny Kaomina ambanivohitr’i Belobaka izy ireo niaraka tamin’ny tale kabinetra ny Faritra izay nisolotena ahy nanatanteraka ny fitsirihana ara-teknika manoloana ny tetik’asa fananganana ny orinasa famokarana siramamy.
Natao izany mba hanatanterahana ny Velirano faha 7 izay nataon’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Indostria ny varotra sy ny fanjifana.

Vous aimerez aussi...