Taninketsa INDOSTRIALY any Sofia

Miroso ny dingana ho amin’ny fampandehanana ny milina fanodinam-bokatra ao Antsatramalaza
Vita sonia ny fifanarahana lasitra teo amin’ny Fitaleavam-paritra Sofia sy ny CIR FORMAPROD ny amin’ny fampandehanana ny milina fanodinam-bokatra ao Antsatramalaza. Telo ny andraikitry ny DRICC amin’izany : Ny voalohany dia ny fametrahana rafitra ho an’ireo tanora nahazo tombontsoa sy ny mpitantana ilay orinasa. Faharoa, ny fampiofanana ny mpikirakira ny milina, ary ny fahatelo dia ny momba ny varotra sy ny fitadiavana mpanjifa.

Vous aimerez aussi...