Taninketsa indostrialy: Efa misokatra ho an’ireo mpandraharaha liana amin’ny fitantanana ny milina fanodinana tantely ao Fianarantsoa ny famaliana ny Antso ho an’ny tetikasa (Appel à projet).
Manana hatramin’ny 21 Febroary 2023 amin’ny 4 ora hariva izy ireo amin’izany. Ny fanehoana ny fahalianana dia alefa amin’ny adiresy mailaka micczpi.hm301@gmail.com sy zpihm.micc@gmail.com ary aterina an-tanana ao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritra (DRICC) Immeube Venot Ambatolahikosoa Fianarantsoa.