Taninketsa Indostrialy: hisitraka ozinina fanodinam-bokatra ireo distrika 6 any amin’ny faritra Vakinankaratra

Ambatolampy, Faratsiho, Antanifotsy, Betafo, Antsirabe I sy Antsirabe II. Distrika miisa 6 any amin’ny faritra Vakinanakaratra no hahazo ny milina fanodinam-bokatra anatin’ny ODOF (One District One Factory) androany sy rahampitso. Tafiditra koa amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-7 sy faha-9 dia ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

“Atomboka eto Ambatolampy ny Taninketsa Indostrialy ho an’ny faritra Vakinankaratra. Ambatolampy dia distrika anisan’ny mpamokatra ronono betsaka indrindra eto Madagasikara”, hoy ny Tale Njiva Rakotoarivonona androany tao Ambatolampy raha nisolo tena ny Minisitra Edgard Razafindravahy tamin’ny fandraisam-pitenenana.

Mamokatra ronono 900 litatra isan’andro Ambatolampy. Ozinina mpanodina ronono sy mpamokatra fromazy no naterina any an-toerana. Aodina ny vokatra ahafahana mivarotra azy eo amin’ny manodidina sy eto an-toerana na hatrany ivelany mihitsy aza.

Vous aimerez aussi...