Taninketsa indostrialy: hohatsaraina ny fitaovana fitotoam-bary eny Imerintsiatosika mba hampitombo ny tahan’ny vary voatoto

Be loatra ny vary very eo am-pitotoana noho ny fitaovana tsy zarizary. Ho tratrarina ny voka-bary voatoto hatramin’ny 72kg isaky ny akotry 100kg. « Tsy maintsy ampiana ny mpandraharaha amin’ny fampivoarana ny sehatr’asany ahitany tombontsoa bebe kokoa ary entina hamatsiana ny tsena ho an’ny mpanjifa », hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nandritra ny fidinana ifotony teny Imerintsiatosika ny Sabotsy 1 Avrily 2023. Isan’ny ivon’ny fanodinana vary lehibe indrindra eto Madagasikara ny tanànan’Imerintsiatosika satria dia hatramin’ny 150 taonina ny vary mivoaka avy any hamatsiana ny tsena eto Antananarivo.
Hanao tantsoroka an’ireo mpitoto vary eny Imerintsiatosika ny MICC hampitomboana ny tahan’ny vary voatoto. Ho dinihan’ny ekipa misahana ny firongatana ara-indostria eto anivon’ny Minisitera misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria manokana ny fanatsarana ireo fitaovana ampiasana amin’ny fitotoam-bary eny an-toerana, hoy hatrany ny Minisitra.

Vous aimerez aussi...