Taninketsa indostrialy: milina fanodinana voatabia mahatelina voatabia 1 taonina isan’ora ho an’ny distrikan’Ambatondrazaka.

« Androany, voavaly ny fangatahanay. Izany no atao hoe Fanjakana mihaino vahoaka ». Hetaheta nampitain’ny Solombavambahoaka voafidy tao Ambatondrazaka tamin’ny Filoham-pirenena ny 14 Oktobra 2019 ny tokony hahazon’ny tantsaha ozinina fanodinana voatabia. Mbola nampahatsiahiviny ny Minisitra Edgard Razafindravahy izany vantany vao nandray ny fitantanana ny Minisitera izy ka nitsidika ny tany Ambatondrazaka.

Milina fanodinana voatabia ahafahana mitahiry ny voatabia tsy ho simbasimba fotsiny sy ahafahana mandefa azy eny amin’ny tsena sy toeram-pivarotana samihafa no naterin’ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria tany an-toerana androany Alakamisy 22 Jona 2023.

« Tanteraka eto amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ny Velirano nataon’ny Filoham-pirenena. Tanteraka ny Velirano faha-7 dia ny fampiroboroboana ny indostria », hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy nanoloana ireo tantsaha mpamokatra, ny avy amin’ny fikambanana samihafa, tanora mpianatra vory tao amin’ny efitrano malalaky ny Faritra.

Niantso manokana ny tanora toa an’i Hasina izy mba hamaly ny Antso ho an’ny tetikasa hifantenana izay mpandraharaha hitantana ny orinasa. I Hasina moa ilay tekinisiana tany Ambatondrazaka nandrafitra tetik’asa fanodinana voatabia, nantsoin’ny Minisitra tany amin’ny biraony ahafahana manatanteraka izany.

 

Vous aimerez aussi...