Taninketsa indostrialy: Tany Fianarantsoa ny Minisitra Edgard Razafindravahy no nanatanteraka ny Veliranon’ny Filoham-pirenena androany
“Raha te-hahavita tena ara-tsakafo isika dia tsy maintsy mamokatra. Avy eo dia manodina ny vokatra eto an-toerana. Notsiahivin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny tenin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny Fihaonana an-tampony ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo tany Sénégal ny Alarobia 25 Janoary lasa teo nentiny nilazana fa “itony milina apetraka aty Fianarantsoa itony no fitaovana entina hanatanterahana an’izany.
Taorian’Ambositra tamin’ny herinandro dia i Fianarantsoa indray androany Zoma 27 Janoary 2023 no nandray ny ozinina fanodinana tantely anatin’ireo fitaovana hametrahana orinasa 75 nafarana ary efa tonga avokoa. “Manomboka izao dia tsy hijanona intsony ny fametrahana ireo orinasa 75. Isa-kerinandro dia hisy orinasa apetratsika isaky ny distrika iray”, hoy ny Minisitra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria.
Feno hipoka ny efitrano malalaky ny Faritra Matsiatra Ambony androany nizaha maso ilay milina fanodinana tantely sy nihaino ny fanazavana nentin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy. Nahitsy izy raha niteny ny tsy tokony hampifangaroana ny indostria lehibe sy ny Taninketsa Indostrialy. Misy tokoa ny ozinina lehibe hamokatra simenitra any Antsirabe, na ny fanaovana siramamy any Vatomandry sy Morondava izay manana ny maha-izy azy. Miavaka amin’ireny anefa ny Taninketsa Indostrialy (ODOF na One District One Factory).
“Manoatra noho ny indostria mijoalajoala ity ataontsika ity. Manakaiky ny tantsaha satria orinasa ety ifotony ary tantanantsika ety ifotony”, hoy ny Minisitra, tamin’ny feo avo, nanoloana ireo Manampahefana any an-toerana nahitana ny Solombavambahoaka voafidy tao Fianarantsoa, ny Governoran’ny Faritra, ny Ben’ny Tanànan’ny Kaominina an-drenivohitra Fianarantsoa, ny avy amin’ny Sehatra tsy miankina, ireo solontenan’ny kaoperativa sy fikambanana ivondronan’ny mpiompy tantely ary ny tanora mpianatry ny Oniversite.
Natao tamin’ny fomba ofisialy androany koa ny Antso ho an’ny Tetikasa (Appel à projet) amin’ireo mpandraharaha vonona hitantana ny indostria madinika manodina tantely ao Fianarantsoa. Hisy vaomiera hajoro hijery ny atontan-taratasy sy hifantina ny mpandraharaha homena ny fitokisana. Telo herinandro aoria’izao no hivaly ny Antso ho an’ny Tetikasa. Hatao sonia aorian’izay ny Fifanekena eo amin’ny telo tonta (Convention tripartite) momba ny fitantanana ny orinasa dia ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria (MICC), ny kaoperativa ary ny mpandraharaha voafantina.
Mamoaka tantely 16 000 Taonina isaky ny fotoam-pamokarana moa ny faritra Matsiatra Ambony. Fahatelo aorian’i Vatovavy sy Amoron’i Mania izy raha ny famokarana tantely ao anatin’ny faritanin’i Fianarantsoa.