Taom-pamokarana 2022-2023:Hamokatra siramamy 60.000 taonina ny SUCOMA Ambilobe

Nanomboka ny Alarobia lasa teo ny fotoam-pamokarana siramamy ho an’ny SUCOMA Ambilobe. Vinavinaina hahatratra 60.000 taonina ny vokatra ankoatra ny siramamy Namakia. Tsy misy atahorana araka izany ny famatsiana ny tsena na dia teo aza ny fanafoanana ny fanondranana siramamy nataon’ny firenena indiana. Tsy miova kosa ny vidiny anatin’ny fanajana ny fepetra famerana ny vidy farany ambony noraisin’ny fitondram-panjakana. Nitsidika ifotony ny orinasa mpamokatra siramamy Ambilobe ny Talen’ny Varotra anatiny (DCI) sy ny Talem-paritra (DRICC) DIANA omaly Alatsinainy 13 Jona 2022.
Sary DCI

Vous aimerez aussi...