Taom-panondranana 2022-2023: Mahafeno fepetra handraisana ny lavanila alohan’ny hanondranana azy ny “hangar” ao amin’ny Seranantsambon’i Toamasina

Varavaravana roa ihany no ivoahan’ny lavanila malagasy mandritra ny taom-panondranana 2022-2023 izay nisokatra ny Talata 15 Novambra 2022 lasa teo dia ny any amin’ny Seranantsambon’i Toamasina sy ny etsy amin’ny Seranampiaramanidina etsy Ivato. Narahin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy asa ny fepetra noraisina ka tonga nijery maso ny toerana fanatobiana entana (entrepôt) handraisana ireo lavanila alohan’ny hanondranana azy izy omaly Zoma 18 Novambra 2022. Mahafeno fepetra ho amin’izany ny “Hangar” an’ny SMMC (Société de Manutention des Marchandises Conventionnelles) ao anatin’ny faritry ny Seranantsambo. Niarahan’ireo tompon’andraikitra samihafa nanotrona ny Minisitra misahana ny Varotra nahita izany dia ny Tale jeneralin’ny SPAT (Société du Port à gestion Autonome de Toamasina), ny Tale jeneralin’ny SMMC, ny avy amin’ny CTHT (Centre Technique Horticole de Tamatave).
Tsy maintsy mandalo fitsirihana mantsy ny lavanila ka jerena amin’izany ny fatran’ny vanilinina (taux de vanilline) sy ny hamandoana (taux d’humidité) mba hitazonana ny hatsaran’ny vokatra avy eto Madagasikara.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...