Taom-piotazana 2022-2023

70 ireo mpandraharaha mahazo fanavaozana fahazoan-dalana hanondrana lavanila hatreto
Tsy misy ny ampihimamba fa tsy maintsy mahafeno fepetra kosa anefa ireo mpandraharaha afaka manondrana lavanila mankany ivelany. Hentitra ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany maraina tetsy amin’ny biraony etsy Ambohidahy nanao ny mangaraharaha momba ny fahazoan-dalana hanondrana (Agrément) lavanila.
“70 ihany no nahazo taratasy avy amin’ny FINEX fa nampody ireo vola vahiny azony tamin’ny fanondranana lavanila. Izay ilay fanarahana fepetra”, hoy ny Minisitra misahana ny Varotra.
Ara-tarehimarika dia 262 ireo fangatahana fahazoan-dalana hanondrana lavanila voaray ka ny 97 amin’ireo dia fangatahana fanavaozana raha fangatahana vaovao ny 165. 90 tamin’ireo orinasa efa nanondrana lavanila teo aloha no nahafeno ny antontan-taratasiny. Tsy nahazo fanamarinana fampodiana vola vahiny vidin’ny lavanila naondrana anefa ny 20.
Hamory ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila ireo any Antalaha, renivohitry ny lavanila, ny Minisitra Edgard Razafindravahy hametrahana ny lamina ahafahana miaro ny toeran’ny vokatra lavanila malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenana.

Vous aimerez aussi...