Taom-piotazana 2022-2023

Efa misokatra ny famarotana lavanila maina
Nosokafana ny Zoma 07 oktobra 2022 lasa teo ny famarotana lavanila maina ho an’ny taom-piotazana 2022-2023 eto Madagasikara. Araky ny Didim-pitondrana laharana faha-35255/2013 mandrindra ny fepetra ankapobeny momba ny famarotana lavanila dia tsy maintsy telo volana farafahakeliny manomboka amin’ny daty fanokafana ny fiotazana lavanila maitso eo anivon’ny faritra tsirairay no anokafana ny famarotana ny lavanila maina. Eo ihany koa ny soso-kevitra avy amin’ny Filankevi-pirenena momba ny Lavanila (CNV).

Vous aimerez aussi...