Taom-piotazana 2022

2900Ar isaky ny kilao no vidy farany ambany ividianana ny lojy eny amin’ny mpamokatra
Niadian-kevitra tao amin’ny CCI Mahajanga Be ny ho vidin’ny lojy farany ambany eny amin’ny tantsaha ny Talata 19 Jolay 2022 teo. Tapaka fa ferana ho 2900Ar izany amin’ity taom-piotazana 2022 ity. Nanaiky izany ny mpanondrana saingy nametra-teny fa tsy hiantoka ny tsy maintsy hividianana ny vokatry ny tantsaha raha tsy mahazo tombony amin’ny fandraharahana izay ataony. Nisy fidinany moa ny vidin’ny lojy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao.
Tonga tamin’ity fihaonana notarihin’ny Governoran’i Boeny sy ny DRICC Boeny ity ireo mpisehatra amin’ny lalam-pihariana lojy dia ny tantsaha, mpanangom-bokatra ary ny mpanondrana. Nisolo tena ny tantsaha ireo avy any Ambato Boeny, Manerinerina sy Ambondromamy.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...