Taom-piotazana lavanila 2020-2021
Hanomboka ny 15 Septambra 2020 hatramin’ny 31 May 2021 ny taom-piotazana lavanila 2020-2021 araka ny nambaran’ny fitondram-panjakana.
Manana valo volana sy tapany ireo mpandraharaha lavanila amin’ny fanondranana eo amin’ny tsena maneran-tany amin’ity taom-piotazana ity. Araka ny nambaran’ny MICA dia manamafy hatrany ireo ezaka atao hijerevana kalitao vaovao sy tsenam-barotra vaovao hitazomana ny laharana voalohany ho an’ny lavanila malagasy.
Photo©actu.orange.mg