Taom-piotazana lavanila maitso 2022
Tamberim-bidy 54.525.000 Ar no nampidirin’ny Sahanala ao amin’ny kitapom-bolan’ny Faritra Analanjirofo, 127.225.000 Ar kosa ho an’ireo kaominina manodidina mikambana ao amin’ny OPCI Masôva
Nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny Orinasa TAMBATRA izay miaraka amin’ny Fikambanana FANAMBY ao anatin’ny Vondrona SAHANALA, izay miorina ao amin’ny fokontany Andrangazaha, kaominina Antanifotsy, distrikan’i Soanierana Ivongo ny avy ao amin’ny DRICC Analanjirofo. Niara-dia taminy tamin’izany ny governoran’ny faritra, ny solombavambahoaka voafidy tao Soanierana Ivongo, ny lehiben’ny distrika ary ny avy amin’ny fitandroana ny filaminana.
Tanteraka tamin’izany ny fanoloran’izy ireo ny tamberim-bidy vokatry ny asany tamin’ity taom-piotazana lavanila maintso ity. Nahafahany nampiditra vola tamberim-bidy mitentina 54.525.000 Ar ho an’ny Faritra sy 127.225.000 Ar ho an’ireo kaominina manodidina ny lavanila maitso 90,80 taonina izay voaangony.
Nisy koa ny fitsidihana ny magazay fikarakarana ny lavanila sy toerana hafa koa ao anatin’ny orinasa. Ity orinasa ity no hany tokana mpanondrana lavanila any amin’ny tapany atsimon’ny faritra Analanjirofo no sady miezaka manaraka ny fenitra ary indrindra manome asa ho an’ireo mponina manodidina.
Sary DRICC