Taom-piotazana Lavanila maitso any Sava

Orinasa 4 mpividy vokatra nidina tany amin’ireo tsena voaara-maso 13 tamin’ny herinandro
Vokatra lavanila maitso 10 taonina no voaangon’ny Orinasa Symrise tany amin’ny distrikan’Antalaha tamin’iny herinandro lasa iny. Tsena voaara-maso 6 no nidinany tamin’izany dia ny ao Marofinaritra, Antsambalahy , Andranomena, Ambatofotsy, Ankarefo ary Antsirabe. Orinasa telo hafa kosa no nividy vokatra tany amin’ny distrikan’Andapa. Nahatratra 40 taonina ireo lavanila maitso noraisin’ny Sahanala tao Tanandava , Andapahely, Marovato, Ambalamanasy ary Betsakotsako Andranotsara. Nividy lavanila maitso 10 taonina kosa ny Floribus tao Lanjarivo raha 4 taonina no lasan’ny Autentic Product tao Andranovolo Belaoko Lokoho.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...