Taom-piotazana Lavanila:Nanome toky ireo mpandraharaha fa hividy ny vokatry ny tantsaha any Analanjirofo

Efa napetraka ireo fepetra rehetra toy ny tsena voaara-maso hahatanteraka ny vidy farany ambany amin’ny kilaon’ny lavanila maitso ho 75000Ar. Nampanantena fa hividy ny vokatra ny teo anivon’ny vondron’ny mpandraharaha mpanondrana lavanila GEVM. Omaly Alakamisy 07 Jolay 2022 no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana lavanila any amin’ny faritra Analanjirofo ka tao amin’ny kaominina Maromitety distrikan’i Vavatenina no nanaovana izany. Tonga tany an-toerana ny Governoran’ny faritra, ny lehiben’ny fileovana, ny lehiben’ny distrika, ny Talem-paritra DRICC sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...