Taom-piotazana litchis taona 2020

Nisokatra ary nanomboka ny alin’ny zoma 13 Novambra ny taom-piotazana litchis taona 2020 any amin’ny faritra Atsinanana. Nidina tany ifotony ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana niaraka tamin’ny manam-pahefana any an-toerana (ny Governora ny faritra). Nijery mivantana ireo ivon-toerana hanatanterahana ny dingana rehetra amin’izany taom-piotazana izany ny delegasiona notarihin-dRtoa Minisitry ny MICA. Mandritra ny taom-piotazana 2020 dia mahatratra hatramin’ny 16000 taonina ny “quota” azon’ny vondrona GEL, 13000 taonina Eoropa ary 3 taonina kosa Russie, Dubaï, Mayotte ary Nosy Martinique. Araka izany dia sambo miisa 2 no hitatitra ireo vokatra ireo mandritra ny taom-piotazana.

Vous aimerez aussi...