Tatitry ny fivoriana niarahan’ny filoham-pirenena sy ireo mpisehatra lavanila, 9 febroary 2023, Lapam-panjakana Iavoloha
Nisy ny fivoriana izay notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina niaraka tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny sehatra lavanila (mpandraharaha, mpamokatra, mpanomana, mpanondrana) ny 9 febroary 2023 lasa teo. Fivoriana izay natao indrindra mba hijerena miaraka ny paikady mba hitazomana ny kalitaon’ny lavanila vokatra eto Madagasikara izay efa fanta-daza maneran-tany. Araka izany dia nisy ireo fanapahan-kevitra izay nifanekena niaraka tamin’ireo mpisehatra lavanila ireo:
● Ho tazomina ho 250 dolara ny vidin’ny lavanila araka ny fangatahan’ireo mpisehatra
● Ireo mpanondrana miisa 88 nahazo fahazoan-dalana na “agrément” dia tokony hanavao izany hatramin’ny 13 febroary 2023. Manana 15 andro izy ireo hirosoana amin’ny fividianana manontolo ireo lavanila izay voasoratra ao anatin’izany fahazoan-dalana azon’izy ireo izany. Raha sanatria misy tsy fahatomombanana avy amin’izy ireo, ny lavanila sisa tsy voavidy dia haverin’ny Fanjakana ho tombontsoan’ny mpanondrana hafa ary hanaovana fifanarahana vaovao.
● Ny Fitondram-panjakana kosa dia vonona ny handresy lahatra ireo mpanjifa iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny “road show”
● Mba hitazomana ny toeran’i Madagasikara izay voalohany eran-tany eo amin’ny sehatry ny lavanila sy hiatrehana ny fifaninanana eran-tany, dia omena alalana hivarotra lavanila “cuts” eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ireo mpanondrana, hatramin’ny 10% amin’ny habetsahana omen’ny “agrément” navoaka. Niara-nanapa-kevitra fa 140 dolara ny kilao ny vidin’izany lavanila “cuts” izany.
● Mba hisorohana ireo mety ho hosoka na fanodinkodinana dia nanome toromarika ny minisitry ny fampiroboroana ny indostria sy ny Varotra ary ny fanjifana ary ny Tale Teneralin’ny fadintseranana ny Filohan’ny Repoblika mba hametraka rafitra fanaraha-maso hentitra.
Ny Fitondram-panjakana sy ireo mpisehatra moa dia niray feo fa hifanome tanana sy hiray hina hiady amin’ny varotra tsy ara-dalàna izay manimba ity sehatry ny lavanila ity