Tetik’asa ODOF (one district one factory)

Anisan’ny zava-bita notokanan’ny Filoham-pirenena tany Moramanga ny Taninketsa Indostrialy fanodinana ronono ho lasa fromazy na yaourt.

“Izay zavatra rehetra ilain’ny malagasy dia mila vokarina sy ahodina eto an-toerana avokoa. Izay no antony nametrahantsika an’ilay Tetik’asa hoe ODOF. Izany hoe ny distrika iray mila ametrahana ozinina iray farafahakeliny mba ahafahana manodina ny vokatra sy mampitombo ny vokatra izay misy ao aminy”.
Nandritra ny fitsidihana voalohany nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ny tany Moramanga taorian’ny nahalany azy indray hitondra ny firenena no nanambarany fa hatao laharam-pahamehana amin’ity fe-potoam-piasana faharoa ity ny fitsinjovana ny be sy ny maro hanatsarana ny fiainan’ny tsirairay. Porofon’izany ny nitokanany niaraka tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny milina fanodinana ronono ho fromazy sy yaourt ao Ambohibary Moramanga androany Zoma 09 Febroary 2024. Milina mahazaka ronono 500 litatra isaky ny mampiditra.
Tanora sy vehivavy 56 mianadahy mivondrona anatin’ny Kaoperativa Soa Fampivoarana ho an’ny Malagasy (KSFM) no mpisitraka voalohany an’ity Taninketsa Indostrialy ity amin’ny nanomezana azy ireo ny fitantanana ny orinasa. Tanjon’izy ireo ny hamokatra fromazy 50 kilao isan’andro. Manamarina ny fametrahana ny ozinina any an-toerana ny fahabetsahan’ny vokatra ronono izay tafakatra any amin’ny 2 tapitrisa litatra isan-taona.
Nanamafy ny fahareseny lahatra amin’ny Tetik’asa ODOF kosa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria raha nitodika tamin’ny mponin’i Moramanga. “Mba ny vokatra ety an-tanindrazantsika toy izao ihany no ho jifaintsika amin’ny fotoana rehetra manomboka eto”, hoy izy.
Toy ny nanao tatitra ihany ny Minisitra Edgard Razafindravahy raha nilaza fa 53 amin’ireo milina fanodinam-bokatra 75 nohafarana no efa tafapetraka ary maro no efa mihodina. Miara-mahazo tombontsoa amin’izany na ny tantsaha mpamokatra akora fototra, na ny mpandraharaha mitantana ny orinasa, na ny Fanjakana. Hatao koa ny fiaraha-miasa amin’ireo toeram-pivarotana lehibe (grande surface) sy mpivarotra samihafa hahatongavan’ny vokatra eny amin’ny mpanjifa.

Vous aimerez aussi...