Tetik’asa ODOF: Tafainga ao Bongolava ny fametrahana taninketsa Indostrialy manerana ny Nosy
Fanamby napetraky ny Minisitra Edgard Razafindravahy anio 14 oktobra 2021 ny fanatanterahina ny velirano faha-7 nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ka tsy hisy adino amin’ny fananganana indostria intsony ny distrika sy kaominina ary ny isan-tanàna. Ho an’ny faritra Bongolava dia taninketsa indostrialy 3 fara-fahakeliny no hatsangana ka mikendry ny fampandrosoana ny faritra sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina any an-toerana. Miara-miasa akaiky amin’ny mponina sy ny kaoperativa ny minisitera amin’ny fananganana indostria madinika mpamokatra sy mpanodina mamaly ny filan’izy ireo araka ny vokatra misy any an-toerana. Tsy hisy intsony ny vokatra very araka izany fa izay tsy lafo dia hahodina avokoa.
« Hapetraka eto Tsiroanomandidy, izay fantatra amin’ny famokarana voanjo sy vary, ny taninketsa indostrialy voalohany manaraka ny lalan-tsain’ny fanorenana entin’ny minisitera. Hanatsara ny fiainan’ny mponina ny fisian’ny ODOF ary hanamaivana ny vidim-piainana” hoy ny Minisitra.
Source: https://www.facebook.com/vitogazmadagascar/