Tetikasa PTASO sy PAISF

Nihaona an-databatra boribory ny minisitra Edgard Razafindravahy sy ny BAD
Roso hatrany ny MICC sy ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana (BAD) amin’ny fanatanterahana ny tetikasa PTASO (Tetikasa fanodinana indostrialy an’ireo voka-pambolena any Atsimo Andrefana) sy PAISF (Tetikasa manohana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatry ny fitantanam-bola).
Nijery niaraka tamin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ny lafiny ara-teknika sy fandrindrana farany mialohan’ny hirosoana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa PTASO sy PAISF androany 07 Marsa 2022 ny delegasiona avy amin’ny BAD.
Nomarihan’ny BAD manokana ny maha-zava-dehibe ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo noho ny vokatra mampiavaka ny Faritra hisian’ny tetikasa.
Hisy ny fanolorana manokana ny tetikasa hiarahan’ny roa tonta any Toliara amin’ny fotoana manaraka. Hampitombo ny vokatra ifotony ary koa hampitombo ny fanodinana ireo vokatra any an-toerana izao tetik’asa vatsian’ny BAD vola izao.

Vous aimerez aussi...