Toetr’andro ratsy: Hamafisina ny asa fanaraha-maso ny vidin’entana sy ny famatsiana.

Hiara-hientana ny kaomisera sy mpanara-maso ara-barotra miisa mihoatra ny 477 hanamafy ny fanaraha-maso ny vidin’entana sy ny famatsiana eny anivon’ny mpaninjara manerana an’Antananarivo Renivohitra sy ireo Distrika 3 manodidina azy. Hitsinjara ekipa miisa 24 izy ireo ary hanatanteraka ny iraka nomen’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ao anaty fotoana fohy.
Nivory tao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria Antaninarenina androany ny « Cellule de crise » nametraka ny fandaminana.

Vous aimerez aussi...