Tontolon’ny fandraharahana: lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara

Nisy lesoka ka tsy nahafahana nampandroso na nampiroborobo ny toekarena teto amintsika ilay Lalàna momba ny fampiasam-bola tamin’ny tamin’ny taona 2007. Antony namolavolana ny rijanteny vaovao hasolo azy.

« Izy io dia ho fanatanterahana ireo velirano nataon’ny Filoham-pirenena. Raha misy velirano atao amin’ny vahoaka dia tsy maintsy misy fanavaozana ny Lalàna ahafahana manatanteraka izany velirano izany. Hita teto androany fa na ireo solombavambahoaka mpanohitra na ny solombavambahoaka miaraka amin’ny fitondrana dia niray hevitra fa ilaina tokoa izany lalàna momba ny fampiasam-bola eto amintsika izany”, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy androany Alatsinainy 22 Mey 2023 teo am-pivoahana ny fivoriana itambaram-ben’ny Antenimieram-pirenena.

Lany teny Tsimbazaza androany ilay Volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara ahitana Toko folo sy andininy 35. Mivoitra anatin’izany ny fanamorana ny fikarakarana ny fananganana orinasa, fametrahana safidy mazava tsara eo amin’ny sehatry ny famahana olana, fanitarana ny sehatra ifandaminana anatiny manoloana ny olana misy eo amin’ny mpampiasa vola avy eto an-toerana sy ny fanjakana Malagasy. Tsy hisy intsony ny mizana tsindrian’ila fa hitovy avokoa ny erijika, na ho an’ny mpampiasa vola tera-tany na vahiny.

Rahampitso Talata 23 Mey 2023 kosa indray no hiditra amin’ny asam-baomiera eny amin’ny Antenimieran-doholona etsy Anosikely ity Volavolan-dalàna momba ny fampiasam-bola eto Madagasikara ity.

Vous aimerez aussi...