Tontolon’ny fandraharahana:Notoloran’ny Fitondram-panjakana mariboninahitra ny Filoha Tale jeneralin’ny Vondrona HENRI FRAISE

85 taona nandraharaha teto Madagasikara ny orinasa HENRI FRAISE. Noho izany indrindra dia notolorana ny mariboninahitra « Grand Croix de Deuxième Classe de l’Ordre National Malagasy » ny Filoha Tale jeneralin’ny Vondrona, Georges René Henri FRAISE omaly 21 Oktobra 2022 tetsys amin’ny Carlton Anosy.
Olo-manan-kaja maro no tonga nanotrona ny lanonana ka anisan’ireny ny MinisitrA misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard RAZAFINDRAVAHY.
« Voninahitra lehibe ho ahy ny nanomezan’ny Fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA, izao mariboninahi-pirenena malagasy izao », hoy ny Filoha Tale jeneralin’ny Vondrona HENRI FRAISE. Tsy nanadino ny nisaotra ny Malagasy izy tamin’ny nahafahan’ny orinasa nijoro hatrany nandritra ny 85 taona.
Sary nindramina

Vous aimerez aussi...